Namotopototra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana an'i Hermann Rakotomalala tany Toliara androany ireo Fiaraha-monim-pirenena miisa sivy. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny Governoran'Atsimo Andrefana no tao ambadiky ny fitoriana ity Filoha lefitry ny KMF/CNOE ity...
Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...
Olombelona isika ka mety ho tojo tsy fahasalamana koa mila fifanohanana sy fankaherezana amin'ny lafiny maro, ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy amin'ireo olona akaiky antsika mba hampahomby ny fitsaboana hahatonga fahasitranana...
Mandray anjara amin'ny fanentanana ny olona mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana ny ONG ACDM amin'ny alalan'ny fanofanana iarahan'ny amin'ny ESDES... Ny Dauphin dia isan'ireo biby mampinono, ireo mivelona an-dranomasina dia anatin'ny fianankaviambe ny "Delphinidés", ary "Platanistidés" ny an-dranomamy... Varotra entona karbôna: Vola 50.000.000 Dollar no ho azo ao anatin'ny 5 taona, tetikasa any amin'ny faritra Sava, Sofia, Analanjirofo, Antsinana, Alaotra-Mangoro...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco