Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...
Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco