Ny "crampe" dia fivokonan'ny ozatra tampoka na mikainkona, tranga mahakasika ireo mpanao fanatanjahantena matetika. Ny ozatra (muscle) misy karazany : "strié" amin'ny faritry ny ratsam-batana, "lisse" any amin'ny taova. Raha ny any amin'ny lalan-dra no mikainkona dia io ilay ahatao hoe "spasme". Antony : havizanana be loatra, tsy ampy fanafanan-tena mialohan'ny fanaovana fanatanjahantena, tsy fahampiana magnesium... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...
Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tokony hijeren'ny fitondrana malagasy vahaolana ao anatin'ny fitantanana ny SADC ny sosialim-bahoaka, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Vehivavy MFM... • Hisokatra ho an'ny besonimaro manomboka rahampitso ny toerana irasam-pirenena momba ny asa tanana “ENARA Galeria” etsy amin'ny Lac Iarivo. Nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany... • Hanomboka hitatitra olona ny “téléphérique” ny sabotsy izao. Voafetra ihany anefa ny halaviran-dalana, fa mbola karazana fanazarana ny vahoaka aloha no atao amin'izao, hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco