Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.
Ny asan'ny olombelona eto amin'izao tontolo izao dia maro sy manana ny lanjany ; maro anefa ireo manao tsinotsinona ny asan'ny hafa toy ny asan'ny tantsaha sy ireo olombelona anaty fahasahiranana, indrindra ireo mpitondra. Tsy voahaja ny zon'ny olombelona, ny fitsipika mibaiko sy hitondrana ny asan'ny olombelona dia ny Didin'Andriamanitra (ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana). Misy rohy voary mifamatotra amin'ny asan'ny olombelona, tokony hajaina ny tontolo manodidina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fanembohana masina ao amin'ny Eglizy katôlika dia fomba litorjika mampiasa emboka manitra, ka arehitra sy entina manemboka ny olona, ny zava-masina toy ny sary masina, Otely/Altara, Evanjeliery, eo koa ny razana entina ao am-piangonana atao veloma farany. Ny dikan'ny emboka manitra natolotry ny Majy : Volamena manambara ny maha Mpanjaka ; emboka manitra maneho fa Andriamanitra ilay notolorana ; mira manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fandaharana "Finoana Aina" iarahana amin'ny P. Randriamanamahenina Robert Maria...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco