Hatrany ampihandohana dia efa voadidy hiasa isika olombelona, ka amin'ny alalan'ny fanaovana ny tsara sy ny asa araka ny tokony ho izy no handavorariana ny tena. Ireo fitsipika tokony hifehy ny asan'ny olombelona : memetraka fa ny hasarobidin'ny asa dia miankina amin'ny fanatsaràna ny maha-olombelona manontolo fa tsy amin'ny famokarana ara-nofo fotsiny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
I Jesoa Kristy irery ihany no fahamarinana, sy hany lavorary, izay mihendraka amin'ny dia very. I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ny voahary manontolo dia miandry ny fiverenany amim-boninahitra. Ny fiangonana ankehitriny dia miatrika ny zava-misy ka mampita ny hafitr'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Sorotra Masina noho izany dia ny Evanjely no hany hatsapana ny lanja ny fiainana, izany hoe amin'ny alalan'ny Tenany sy ny Teniny. Irina ny mba hisian'ny fotoam-pivavahana sy famakiana Soratra Masina amin'ny fitokanana maro samihafa... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
Misy karazany ny hao dia ny hao fotsy sy hao maity ; sokajina ao anatin'ny aretina satria azo avy amin'ny kantsetsitra (maladie parasitaire). Tsy voatery ho olona maloto no misy hao, fa rehefa tsy voatandrina na voasoroka ny fifindràny. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana na fampisana ireo fitaovana avy nampiasain'ny hafa izy. 50°C hatramin'ny 55°C eo dia efa mahafaty ny hao raha ; ny toerana mety hisy ny hao amin'ny tenan'ny olona dia @ loha, vatana na akanjo ary ny faritry ny taova-pananahana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco