♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...
Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nitombo efatra indray ireo mpisorona ao amin'ny Diôsezin'i Morondava satria nisy fanamasinana ho pretra notontosaina tany an-toerana omaly... ♦ "Eglizy miara-dia, miombona", io no teny nifanentanana nandritra ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy, izay notanterahana tany an-toerana, nanomboka ny alarobia teo hatramin'ny omaly alahady... ♦ Nanatanteraka ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany voalohany, nanomboka ny 13 jolay hatramin'ny omaly alahady 17 jolay, ny tao amin'ny Faritra Androna, Diôsezin'i Port-Bergé...
♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco