Ny fiainana ao am-bohoko, ny zaza menavava, ary zazakely dia tandindon'ny fitohizan'aina. Ilàna fihomanana tsara ny fanohizan'aina : fahalalana ny tsingerin'ny fadimbolana, fahalalana ny fotoana mahalonaka, fahasalaman'ny mpivady. Tsara kokoa ny fitondrana vohoka raha arahi-maso eny amin'ny tobi-pahasalamanana fa manampy ny mpivady ny toro-hevitra ara-pahasalamana azo eny. Tsy tsara ho an'ny vehivavy mbola mbola tsy niteraka ny fampiasàna fandrindram-piterahana, indrindra ireo mihataka amin'ny ara-boajanahary... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenenan'ny tanora ho an'ny Fanavaozana. Nalalaka tamin'ny fanehoan-kevitra ireo tanora nandray anjara... • Hivoaka tsy ho ela ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo. Nanome toky momba izany ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... • Nanomboka androany ny hetsika "Asako rahampitso". Miisa 9 alina ireo tanora mpianatry ny lisea nisitraka izany nandrita ny 18 taona...
Ny Spoken Word dia azo adika malala hoe " Teny Lazaina" (mot parlé), iray amin'ny zava-kanto vita amin'ny teny ; miseho amina endrika fanehoana lahatsoratra amin'ny teny, izany hoe tononina na ventesina ho am-bava. Tsy lahatsoratra tsotra ny Spoken Word fa manakaiky kokoa ny "poezia", tsy praozy. Ny Spoken Word dia ventesina amin'ny feo mafy sy mazàna mora raisina ary amin'ny fomba mirehidrehitra (emphatique/plein amphase). Tany Etazonia, ny hetsika "Beat" sy ireo mpanakanto amerikanina mainty hoditra no nampiasa ny teny hoe "Spoken Word" ho an'ny teknikana pôezia ventesina amina feo avo sy mirehidrehitra miaraka amin'ny mozika...
Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco