Eo amin’ny olombelona, ny sela tsirairay dia manana chromosomes 46 voarindra ho 23 mandeha tsiroaroa mivady. Ny 22 amin’ireo 23 ireo dia iraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny faha-23 farany dia mamaritra ny toetra maha-lehilahy XY, ary maha-vehivavy XX. Raha vao misy tsy araka ny tokony ho izy ireo chromosomes 23 ireo dia misy vokadratsy lehibe eo amin’ilay olona isehoan’izany. Ohatra ny fahadisoana teo amin’ny chromosome faha-21, izay tokony ho tsiroaroa dia lasa telo. Io no antsoina hoe : trisomie 21... Maro ny tsy fahasalamana tokony ho fantatra momba ireo olona voakasiky ny trisomie mba afahana miahy azy ireny. Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsikaritra ho mivaona kely ny fanamarihana ny 8 marsa, izay somary nirona tamin'ny fisehoana ivelany fotsiny, haingo sy fety ; ny tena votoatin'ny 8 marsa anefa dia fitakiana ny zo izay tsy sitrahan'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro (ohatra : zo hiasa sy handray tambin-kasasarana, zo ho arovana...) Ny vehivavy dia hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena, ny vehivavy rahateo no fototry ny fanabeazana noho izany dia manana ny lanjany amin'ny lafin-javatra maro izy ireny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco