Alahady 08 martsa 2026. Alahady fahatelo - taona A - KAREMY - Mahatoky Andriamanitra : Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony. Ny fatsakana dia toerana fihaonan'ny lehilahy sy ny vehivavy izay mitondra hatrany amin'ny fanambadiana ; ohatra ny fihaonan'i Jakôb sy Rasely, araka ny hita ao amin'ny bokin'ny Jenezy. Vehivavy manana olana maro, tandindon'ny olombelona rehetra anaty sedra sy sarotra ilay samaritana tafaresaka tamin'i Jesoa, anefa tojo fanantenana izy noho ny fahatokiana an'Andriamanitra miseho amin'ny alalan'ny Zanany...
... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Miroborobo ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ankehitriny ny teknika fambolem-bary P-Dipping. Teknika novolavolain'ny tetik'asa Fy-Vary izay efa andiany faharoa amin'izao fotoana izao. Tetik'asa iarahan'ny governemanta malagasy sy governemanta japôney miasa ary vatsian'ny sampan-draharaha japôney momba ny fiaraha-mias iraisam-pirenena (JICA) vola. Manatsara ny voka-bary amin'ny tany manta tsy ampy zezika sy manafaingana ny fitombon'ny vary mba tsy ahatratrarany ny fotoan'ny hatsika ny P-Dipping...
Ao anatin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy isika eto Madagasikara, ary isan'ireo manana izany zo izany ny vehivavy mpiasa an-trano. Manana ny zo sy mendrika hajaina ny vehivavy amin'ny lafiny maro. Iharan'ny herisetra amin'ny lafiny maro ny vehivavy mpiasa an-trano, tsy mahazo karama, fanetrena voninahitra, manginy fotsiny ny vono sy ny teny mahery. Maro ny mbola tsy ampy taona amin'ireo miroso amin'ny asa an-trano ka ireny dia hanentanana ny mpampiasa azy mba hitondra ireny mpanampy ireny ara-drariny toy ny fianakaviana sy zanaka mihitsy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco