♦ Nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fitantanam-bola... ♦ Nandray fepetra ny fitondrana hisorohana ny fahatongavan'ny "Choléra" eto Madagasikara. Nakatona ny sisin-tany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy atsy Comores... ♦ Mamela malalaka ny fanondranana ny harem-pirenena ny kolikoly. Noresahana ny paikady iadiana amin'izany, nandritra ny atrik'asa niantsoana ireo mpisehatra amin'ny harena voajanahary...
Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...
Ny fitsaram-bahoaka dia mitranga amina toe -javatra iray manamarika ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ireo vahoaka entina dia manapa-kevitra ny vahoaka fa izy no mila mandray an-tanana ny momba azy na amin'ny lafiny inona izany na amin'ny lafiny inona... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco