Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...
Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
An'Andriamanitra ny aina. Izy no manome, Izy koa no maka hoy ny fahendren-dRazantsika. Adidy ankinin'Andriamanitra amin'ny olombelona ny fiahiana ny aina, ny miaro azy ; noho izany dia anadinan'Andriamanitra antsika olombelona izany. Tsy maintsy harovana amim-pitandremana lehibe ny aina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco