Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mizotra any Maroc amin'izao minitra itenenana izao ny lalaon'ny Barea sy i Centrafrique, fifanintsanana Modial 2026... • Mpifidy vaventy maromaro no tsy afaka handatsa-bato amin'ny fifidianana Loholona amin'ny 11 desambra 2025. Very zo ireo olom-pirenena amin'ireo Kaominina tokony namerenana fifidianana, hoy ny KMF/CNOE... • Tanora maherin'ny arivo no voaentana amin'ny tokony hahaizana mampiasa ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, noho ny tetikasa “Mahasaky”. Nisy ny vokatra azo, hoy ny manatanteraka io tetikasa io...
• Tontosa androany ny lanonam-panjakana manetriketrika nandraisan'i Madagasikara ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo roa lahy mpitari-tafika niara-dia taminy. Efa nentina nihazo an'i Manabe ireo kabeso... • Miroso amin'ny fijerena ireo lalam-piofanana mety sy tiany arahana akehitriny, ireo mpianatra vao afaka bakalorea. Hita taratra izany eny amin'ny hay ranty tanterahana eny Mahamasina... • Tsy marina ny filazana fa takiana vola 250.000 Ariary ireo mpiofana ho mpandraharahn'ny fonja. Nandiso izany ny Tale Jeneralin'ny sekoly ENAP...
Fatra-pandini-javatra ny Ntaolo Malagasy, vokatr'izany fandinihan-javatr izany no amoahany ny ankamaroan'ireo fiheverana mbamin'ny fitsipi-piaina amam-pitondran-tena izay niteraka ireo kolontsaina nampiavaka azy ary mbola ifandovan'ny taranaka amam-para mandraka ankehitriny. Tsy mba nampiasa soratra nenti-nandrakitra ireny kolontsaina ireny anefa ny Malagasy fa tadidivava, isan'ny lahabolana nampitàna izany ny "Angano". Ny angano dia tantara misy fototra marina tany am-boalohany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco