Ny singa fototra ilain'ny soa iombonana dia ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona. Miteraka zo sy adidy mikasika ny taranak'olombelona tontolo ny soa iombonana. Isaky ny fitambaran'olona dia tsy maintsy mitsimbina ny zavatra ilaina sy ny faniriana ara-drariny eo amin'ny fitambaran'ny olona hafa. Ambony noho ny zavatra ny maha-olona izay miorina amin'ny fanajana ny zo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Tontosa ny alahady 1 ôktôbra 2023 ny fametrahana araka ny fomban’ny Eglizy an’i Mgr Gustavo Bombini Espino, Arsevekan’ny Toliara… ♦ Niatrika ny famaranana ny Sinaody Diôsezanina andiany faha-2, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023 ny Diosezin’i Moramanga… ♦ Ilaina ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny tsirairay, hoy ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus nataony omaly…
Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .
1 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco