1 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)

Ry kristianina havana! Ambaran’ny foto-kevitra hitarihan’ny Eglizy antsika handinika sy hamakafaka ny fiainam-pinoantsika amin’ity alahady tsotra faha-26 mandavan-taona ity hoe “Ny toky fitaka fa ny atao no hita”. Izany tokoa no fonosin’ny tenin’i Jesoa tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona vao noresinesintika tamin’ny Evanjely teo. Amin’ny alalan’ny fanoharana hatrany no enitn’i Jesoa mampita hafatra amintsika.

Maneho ny fomba fiainantsika ny finoantsika sy ny fanehoantsika izany amin’ny fiainana maha kristianina antsika no anehoan’i Jesoa azy amin’ny fanoharana eto. Olona roa samy hafa no antoniny sy irahany hiasa ao amin’ny tanim-boalobony. Hatrany amin’ny fanoharana ataon’i Jesoa dia ny Eglizy izay midadasika tokoa manerana an’izao tontolo izao no tanim-boaloboka ilàny antsika hifanampy aminy hiasa ao ary hanitatra ny fanjakany ao amin’io saha io. Tsy mitsahatra miantso olona isan’andro i Jesoa hiasa ao amin’ny tanim-boalobony ary miantefa amintsika izany antso izany. Manao ahoana no fomba fandraisantsika azy sy ny fanatanterahantsika azy? Tena manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ve isika satria izany no sitrany ataontsika manoloana ny antso iantsoana sy anirahana antsika noho ny Batemy noraisintsika miampy ireo fanomezam-pahasoavana maro ao amintsika? Ankatoky ny fanohizana ny fandalinana ny sinaody tokoa ireo Eveka maneran-tany izao, iantsoan’ny Eglizy antsika hiara-dia haneho fiombonana mba hiara-mamita iraka ao amin’ny Eglizy. Androany koa dia fankalazana ny fetin’i Masimbavy Terezy izay mpiaro ny misiona; fototra lehibe anehoana fa isika rehetra dia olona irahina avokoa.

Moa ve isika tahaka ilay zokiny nandà tsy handeha kanefa nanenina dia nandeha ihany sa tahaka ilay zandriny manaiky anefa tsy manatanteraka akory fa varina amin’izao fiainana izao. Ity farany ity mazàna no tena mpahazo ny maro amintsika amin’ny sehatry ny Eglizy. Miantso antsika amin’ny alalan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Eglizy i Jesoa mba ho mari-pototra ny fiainam-pinoantsika: fahazotoana mivavaka, firosoana amin’ny sakramenta isan-karazany, firotsahana amin’ireo fikambanana masina sy vaomiera isan-karazany, fiaraha-miantsoroka ny fiainam-piangonana. Maro ireo manaiky rehefa entanina sy antsoina fa saingy tsy manatanteraka. Izany no mbola fiainantsika, mbola manao tahaka ilay zandriny isika. Izany no mahatonga an’i Jesoa hiteny hampitandrina antsika fa ny poblikana sy ny vehivavy janga no hialoha antsika any amin’ny paradisa raha tsy miezaka isika. Ny andrasana amintsika dia sady manaiky ny fiangaviany isika no tonga dia manatanteraka am-pitiavana tsy misy fepetra izay anirahany antsika. Izany no atao hoe manatanteraka ny sitrapony. Samia mahereza àry isika mandray sy manatanteraka izay manandrify antsika amin’izany antson’ny Ray amintsika hikatroka ao amin’ny tanim-boalobony izany.

Jesoa Tompo ô! Tsy mitsahatra miantso anay ianao hiasa ao amin’ny Eglizinao. Ampio izahay ho vonona mandrakariva hanao ny sitraponao ka tsy hanjehy ny andro ho lava na hangataka andro fa hanatanteraka izany am-pitiavana sy amim-panetren-tena. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...