Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....
Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco