• Mbola mitana ny sain'ny maro ny resaka Fikaonan-doham-pirenena izay vao nosokafana tamin'ny fomba ofisialy... • Nanao fihetsiketsehana tetsy Mandrosoa androany, ireo mpiasan'ny Vondron'orinasa SODIAT, izay an'i Mamy Ravatomanga. Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny volan'ny orinasa izy ireo, handoavana karama... • Hitarina ireo hahazo tombon-tsoa amin'ny tetik'asa Mionjo, ampiharina any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Nisy androany, ny atrik'asa hanatsarana ity tetik'asa ity ho an'ny taona 2026...
Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Makotroka ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka coadjuteur ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa. Hotanterahana amin'ny alahady 14 desambra 2025 ny fametrahana azy araka ny fomban'ny Eglizy... • Hentitra ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, fa tsy tokony hisy teritery ny fanaovana vakisiny ny ankizy... • Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly: nomena lanaja manokana ny tanora tamin'ity taona ity. Nahavita ezaka goavana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny BIANCO, tamin'ity taona ity, hoy ny Tale jeneraliny, Razakamanantsoa Gaby Nestor...
Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco