Vavaka ho an'ny lehilahy amin'ny fo. Izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy mivavaka mafy. Azo lazaina fa ao anatin’ny toe-tsaina feno fankahalana dia tsy afaka mivavaka; ao anatin’ny toe-tsaina tsy miraharaha ny olona iray dia tsy afaka mivavaka. Izay mahatsapa ny alahelo na ny hafalian'ny hafa dia lasa mahalala kokoa noho izay manadihady lalina kokoa. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
♦ Olana hafa niainan'ireo mpikarakara taratasy amin'ny firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ny fahatapahan-jiro teny anivon'ny biraom-panjakana. Voatery miverina amin'ny andro hafa ireo tsy mahandry ny fiverenan'ny jiro... ♦ Misy ny kolikoly eo anivon'ny orinasa JIRAMA, manoloana ny fividianana fitaovana fampidiran-drano, raha ny tatitra voarain'ny mpirao ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Hotanterahana amin'ny sabotsy izao ny fandevenana an'i Pr Serge Henri Rodin, izao nodimandry teo amin'ny faha-75 taonany...
Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco