♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...
♦ Notontosaina omaly tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, Diôsezin'i Tsiroanomandidy, ny fanamasinana ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Manentana antsika mianakavy hanohy ny vavaka totoafo amin'ny fangatahana ny hanandratrana ho eo amin'ny laharan'ny olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa, ireo tompon'andraikitra mikarakara izany... ♦ Fivahinianana masina teny Berivotra no namaranana ny Filankevitra Pastôralin'ny Diôsezin'i Mahajanga omaly...
Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco