♦ Nametraka laharana maitso, hifandraisana amin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra, ny CENI. Maromaro amin'ny kandidà no mitaraina amin'ny fikarakarana antontan-taratasy... ♦ Nigadona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777 manao ny sidina Dubaï-Antananarivo... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana, ny mpiasan'ny orinasa iray eny Anosizato nanao fitokonana nandritra ny andro maromaro. Tsy hotapahana ny karaman'ny mpiasa araka ny didim-pitsarana...
♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina notontosaina teo amin'ny Kalverin'Ankaboka, tao amin'ny Distrika Misiôneran'i Manaratsandry, Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hotanterahana ny 6 ôktôbra 2024 ny ivon'ny fankalazana ny faha-130 taona niorenanan'ny fikambanan-dry Masera Carmelites de Sainte Thérèse de Turin, ka samy hanana ny endrika hankalazana izany avokoa ny ankohonam-piainana rehetra manerana an'i Madagasikara... ♦ Fanambin'ny Diôsezin'Ambositra ao anatin'ny 25 taona manaraka, ny fanamasinana ny fianakaviana sy ny tokantrano, araka ny nambaran'i Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan'Ambositra...
Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...
♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco