• Manahy ny hidiran'ny mpandraharaha tsy miankina hanana petra-bola eo anivon'ny orinasa Jirama, ny Sendikan'ny SMARM. Manosika azy ireo ho amin'izany fanahiana izany izay tapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Mahajanga... • Tsy tanteraka ny hetsiky ny Paramed eto Antananarivo, nanehoana fiombonam-po amin'ireo namany maty sy nisedra olana teo am-panatanterahana ny asany. Voasakana tsy hiditra ny Hopitaly HJRA izy ireo androany... • Tsy mbola ampy hitsarana ny mpanazatra Corentin Martins ny lalaon'ny Barea omaly, hoy i Maître Titi Rasoanaivo. Nambarany anefa fa nisy fiovana kosa ny ekipam-pirenena...
20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.
• Manana roapolo andro hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena. Efa nalefa eny amin'ny Fokontany avokoa ny lisi-pifidianana avy nohamarinin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana eny anivon'ny Distrika... • Hanomboka amin'ny zoma 21 marsa 2025 ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-78 taona nisian'ny tolo-panafahana 1947. Lohahevitry ny fankalazana amin'ity taona ity ny hoe : “Tolo-panafahana : fanilo miampita ho an'ny taranaka”... • Hanokana andro iray hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM. Hetsika hatao ny alakamisy 20 marsa 2025. Fotoana hisaonana ireo rasazy maty...
• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco