Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".
Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco