♦ Mety ho maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny depiote avy amin'ny lisitra tsy miankina, raha ny fironam-bokatra nivoaka. Tsy afaka hanolotra izay ho Praiminisitra anefa izy ireo, raha izany no misy... ♦ Manomboka mandray fitoriana momba ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny HCC. Efa naharay fitoriana anankiray izy ireo androany... ♦ Nanaovana antso tolo-bidy ny Hôtel 5 Etoiles ety Ivato, ahafahana manokatra ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity. Efa maro ireo namaly izany, hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana...
♦ Nandefa hafatra manokana ho an'ny mpiara-miombona antoka ao amin'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, ka nanentana ny rehetra mba hahay hampiasa izany fitaovana izany mba tsy hahalefy ny fihavanana eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra... ♦ Nanentana ny rehetra hanao am-pinoana ny famantaran'ny hazofijaliana, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankazalazana ny fetin'ny Trinite Masina, sady nankalazana ihany koa ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo...
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
♦ Tontosa ny alahadin'ny Pantekôty lasa teo, ny faha-50 taonan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana any Rôma, ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny Ankizy... ♦ Nankatoavin'ny Papa François omaly ireo Décrets hirosoana amin'ny fanandratana ho olomasina an'i Carlo Acutis sy i Mompera Joseph Alamano, ary ny Vondrona Fransiskanina iray, martiry tany Damas tamin'ny taona 1860...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco