Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa. Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...
♦ Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho antsika mianakavy ny avy eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miombom-bavaka izay niarahana tamin'ny 26 mey 2024... ♦ Hotontosaina ny alahady 9 jona 2024 ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Katôlika, izay tokony nankalazaina ny 13 mey 2024... ♦ Hanatanteraka Kôngresy ny 7 hatramin'ny 12 aogositra 2024, ny avy eo anivon'ny Tanora Marialy Vinsansiana...
♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...
Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco