♦ Tsy ilaina intsony ny fahatongavan'ireo iraky ny SADC eto Madagasikara, hoy ny eo anivon'ny ARFM. Misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo ankolafin-kery eto amin'ny firenana ireo iraka ireo, nanomboka androany... ♦ Manaporofo ny tsy fahaleovan-tenan'ny CENI sy ny HCC ny fahanginan'ireo andrim-panjakana ireo, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, hoy ny VHT... ♦ Tsy miova fa mizara ho roa volana in-dimy ihany ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Namoaka ireo tetiandro mirakitra izany, mbamin'ny datin'ny fanadinam-panjakana iandraiketany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Miantso ny Malagasy hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna ny Vovonana Firainsankina. Mandika ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Filoham-pirenena, hoy izy ireo, amin'ireo fitetezam-paritra sy fitokanana ataony... ♦ Miandrandra fandriamphalemana maharitra ao amin'ny Distrikan'Ankazobe ny mponina, manoloana ny vokatra sy ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fampandrian-tany ataony... ♦ Mihamihena tsikelikely ny tantely, tsy eto amintsika ihany fa eran-tany. Manainga ny rehetra hiaro azy ireny ny mpisehatra. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Tantely...
Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco