• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...
Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...
Adidin'ny Kristiana no mitondra am-bavaka ny fiainan'ny firenena sy ireo mpitondra, hahatontosa ny faniriana. Feno 35 taona amin'ity taona ity no nisehoan'i Masina Maria tao Anosivolakely, raha tsiahivina ny 10 novambra 1990 tamin'ny 8 ora alina no nanambarany ihany koa ireo loza hitranga hanjo ny Malagasy sy ny firenena, ary ny fomba hialàna amin'izany loza izany. I Masina Maria no vonjy ho antsika koa irariana ny hiarahantsika mivavaka, hiaraka amin'ireo havana efa nodimandry sy ilay Renin'Andriamanitra, hivavaka ho an'ny Malagasy sy ny fampandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco