Manàna herin-tsaina mba hahafahana manova ny tokony hovaina sy ny azo hovaina ; manàna fahatoniana mba hahafahana manaiky izay tsy azo hovaina ; ary manàna  fahendrena mba hahafahana mamantatra ny maha samy hafa azy ireo... Tsy tokony hiankina amin'olona hafa na toe-javatra hafa ny ezaka na fanovana tokony hatao fa miankina amin'ny tenantsika irery. Ny faharesen-dahatra anaty dia mitondra ny olona iray ho amin'ny fivoarana sy ny fandrosoana. Mifanohy ary mifampiankina ny herin-tsaina sy ny fahatoniana ary ny fahendrena. Fadaharana "Ampela Miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.

Ny ankohonana no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana, noho izany dia manana adidy amin'ny fanorona ireo tokony hataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny miala sakana dia vanim-potoana tsy azo hiodivirana ho an'ny zanak'olombelona. Ny dingam-piainan'ny olombelona dia miatomboka amin'ny fahazazana, mandalo amin'ny fahatanoràna sy ny fahalebiazana ary miafara amin'ny fahanterana. Ny vanim-potoana tetezamita eo amin'ny fahazazana miampita amin'ny fahalebiazana no hisehoan'ny fialana sakana. Miatrika olana maro samihafa ny tanora satria miova ny toe-batany, miseho lany ny fanahiana, eo koa ny fitobahan'ny fakam-panahy, ny tsy fahatokisan-tena...

Ny sora-tanana dia misy lanjany eo amin'ny fampitàna fahalalana ankehitriny. Na miroborobo aza ny teknôlôjia dia mbola misy lanjany ny sora-tanana. Ny soratra dia fitaovana hifaneraseràna maharitra sy azo tehirizina. Ny sora-tanana dia mampiseho ny maha-izy azy ny olona iray, ahafahana mamantatra ny toetrany ihany koa. Misy fiatraikany mivantana amin'ny mpamaky ny soratra iray. Ny mpampianatra dia tokony ho filamatra amin'ny lafiny ara-tsoratra. Ny mpampianatra ratsy soratra dia mety hatonga ny ankizy ho sahirana amin'ny fianarana ataony, ary mety hatonga azy ho kamo. Ny soratra tsara sy milamina eny amin'ny solaitrabe dia manampy ny ankizy hifantoka sy manampy azy haazo kokoa ny lesona.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...