Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.
Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny ambom-pom-pirenena. Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Tanjona ny hanentanana ny rehetra mba hanaja ny fitsipika amin'ny fampiasana ny teny malagasy na an-tsoratra na am-bava. Ny teny dia manan-danja ary masina ; isika malagasy dia manana fiteny maro. Ny tanindrazana dia ilay toerana ivezivezen'ny teny hampiasain'ireo olona miresaka, noho izany dia mifamatotra ny teny sy ny tanindrazana. Ny teny dia mihaina : miforona, mivelona, miova, maty.
Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco