Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: "Tsy manan-divay izy ireo". Ary hoy i Jesoa taminy: "Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako". Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: "Ataovy izay rehetra holazainy aminareo". Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Fenoy rano ireo siny ireo". Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: "Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana". Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: "Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny".

Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...