♦ Manampy ny fanjakàna Maorisiana amin'ny fanadihadiana atao amin'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny sampam-pitsikilovana Amerikana FBI... ♦ 8 miliara Ariary, avy amina Kaonty amin'ny banky miisa 1.466 hatramin'izao no nogiazan'ny sampan-draharaha misahana ny figiazana ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny (ARAI)... ♦ Fokontany Ambolamena, Kaominina Bongatsara : Nitrangàna fahapozinana ara-tsakafo tamin'ny alalan'ny "composé", maherin'ny 40 ireo voatery nahiditra hôpitaly... ♦ Mangetaheta fiadanana izao tontolo izao, hoy ny Papa Léon-XIV, tamin'ny lahateny nataony nandritra ilay fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana...
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Omena 2 volana hitsaràna azy ireo ministra vao notendrena ary hoesorina avy hatrany izay tsy mahavita ny asany hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Niatrika avy hatrany ny filan-kevitry ny ministra sy ny filan-kevitry ny governemanta ireo ministra vao notendrena omaly... ♦ Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i La-Frantsa amin'ny raharaham-pirenena Malagasy, ireo olom-pirenena nanao hetsika teo anoloan'ny masoivoho Frantsay teny Ambatomena, omaly Talata 28 oktobra 2025...
• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco