Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....

• Misy andian'olona nanao hetsika nanoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanana, mitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Nihemotra indray, raha saika hanao hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny K-FIM sy ny antoko Otrikafo. Nampanantsoina haingana nidinika tamin'ny Filoham-panjakana teny Iavoloha izy ireo... • Miha-mahazo vahana ao anaty tambajotra sosialy ny fitakian'ny tanora ny hampidinana ny saran'ny Internet eto Madagasikara, amin'izao fanovana kasaina hatao eto amin'ny firenena izao...

Tsy azo idovirana intsony fa lalan-tokana ivoahana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny fandraharahana. Nivoitra tamin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha avy amin’ny fikambanana miisa dimy tany amin’ny
faritra miisa efatra iasan’ny Réseau SOA natao teny amin’ny FOFIKRI Ilafy nandritra ny roa andro izany. Fampiofanana vokatry ny tetik’asa an’ny AGRICOR, nomena ny anarana hoe FAO FS, vatsian’ny GIZ vola, ary manatanteraka kosa ny Réseau SOA sy ny AFDI ary ny FERT kosa hoan’ny FIFATA. Lohahevitra nitondrana ny fihofanana ny hoe: “fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra”....

Ny “Mandra-maty no itiavako anao, ahoana no hahatanteraka izany ?” dia manasongadina ny hasarobidin’ny fanambadiana sy ny fitiavana maharitra eo amin’ny mpivady, izay antsoin’Andriamanitra hiombona amin’ny fahamarinana sy ny faharetana mandra-pahafatiny. Ny fahatanterahan’izany dia miankina amin’ny fiorenan’ny fitiavana amin’Andriamanitra, ny fiezahan’ny mpivady amin’ny fifandraisana, fifampitokisana, fifamelana, sy fifanohanana, ary ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...