Tamin’izany andro izany, nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe : Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany nanao hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona ?” Ary hoy ireo : “Ny sasany manao hoe : i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy : “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho ?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe : “Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe : “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...