Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana." Dia hoy ny Farisianina taminy: "Manambara tena Ianao, ka tsy marina ny fanambaranao." Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Na dia manambara tena aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako sy izay alehako. Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy; ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa. Ary Izaho sady manambara ny tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa." Dia hoy ry zareo taminy: "Aiza ny Rainao?" Fa i Jesoa namaly hoe: "Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa." Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...