Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa, tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona. Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy. Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy, hoe: "Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?" Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava." Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa. Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina, satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...