Tamin’izany andro izany, ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe: "Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay." Fa namaly Izy ka nanao hoe: "Mangata-pamantarana itý taranaka ratsy sy mpijangajanga itý fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy; fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...