Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...