Nampivoatra ny velon-tenan’ireo vehivavy mpikambana ao aminy ny sehatr’asan’ny Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM. Federasiona 15 taona mahery nijoroany ara-panjakana. Nikatsaka hatrany ny fomba hampandrosoana ny vehivavy tantsaha amin’ny lafiny maro tamin’ireo faritra 16 misy azy eto amin’ny Nosy.

0 : 00

Nivoatra ny fari-piainan’ireo vehivavy mivondrona ao amin’ny FVTM hoy ny filoha nasionaliny Razafindraso Hélène. Mahatsapa ny adidiny izy ireo. Tsy mihonona fotsiny amin’ny fampidiram-bolan’ny lehilahy. Ifarimbonana ny fitadiavam-bola hamelomana ny ankohonana ho azy ireo. Hita taratra ny fivoarana. Miantsehatra amin’ny lalam-pihariana maro ny vehivavy ao amin’ny FVTM.

Fampahafantarana ny zon’ny vehivavy any amin’ny fiaraha-monina noho izy ireo mitana anjara toerana eo amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony, isam-paritra sy eto amin’ny firenena no tanjona voalohan’ny federasiona. Tsy manome vahana na sehatra ny vehivavy mantsy ny fomba amam-panao eto Madagasikara. Manana ny fihariany manokana ny vehivavy tantsaha. Nikaroka mpifarimbona ny Federasiona hampiroborboana ny fihariany mba hanatsarana ny fidiram-bola.

Maro ireo fikambanana isam-paritra miaraka amin’ny mpifarimbona manao ny famokarana mitodika amin’ny tsena. Ohatra ny any atsimo, ny famokarana voanjo lava ahitana lalam-barotra goavana. Novoizina ihany koa ny famokarana masomboly. Mbola lafo vidy mantsy ny masomboly eto Madagasikara ary sarotra tadiavina. Tohana ara-kevitra sy fanatonana ny mpifarimbona, izay no iandreketan’ny federasiona. Mitombo ny vokatra rehefa mamokatra ara-teknika. Nezahana nampahafantarina azy ireo izany. Nalentika tao antsain’ireo vehivavy ao amin’ny FVTM ny famokarana mitodika amin’ny tsena.

Zava-manitra fanao amin’ny sakafo, vary, katsaka, kafé, voanjo, tsaramaso, ireo no lalam-pihariana fototra ifotoran’ireo vehivavy ao amin’ny FVTM. Ho an’ny vary ohatra, afaka mamokatra hatrany amin’ny 1200 taonina ny vehivavy ao amin’ny FVTM. Nahatratra 420 taonina ny masomboly namidy. Vehivavy 500 no misehatra amin’izany. Mamokatra katsaka 250 taonina ihany koa ny vehivavy 500 ao amin’ny FVTM. 150 taonina ny masomboly namidy.

Manana ny fahaleovan-tenany ny FVTM isam-paritra. Amin’izao fotoana izao miisa 16 manana mpitarika mavitrika avokoa. Ny FVTM foibe kosa miezaka mampiroborobo sy manamafy orina ny hetsika ara-tsosialy ho an’ny vehivavy tantsaha na eto amin’ny firenena na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...