Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.
Ny fiovaon'ny toetr'andro dia miteraka fahavoazana maro, na ho an'ny mponina an-drenivohitra na ny eny ambanivohitra. Ny fiovan'ny toetr'andro dia efa nampoizina ary efa nanomanana ny tsirairay. Porofo ny fiovana ny fiakaran'ny marimpana, ny tsy fitovian'ny faharetan'ny fizaran-taona sy tsy firindràny. Manakorotana ny asa fivelomana sy ny fahasalamana izao fiovana izao. Mirongatra ho azy ny fifindra-monina noho ny fiovan'ny toetr'andro...
♦ Mba hahatratrarana ny tanjona ara-pahasalamana dia singa telo no fototra sy antoka tsara ananana : Sakafo ara-pahasalamana, torimaso tsara ary ny fampiasam-batana. ♦ Ny fandrindrana ny vohoka dia olana ho an’ny tokantrano sy ny tanora. Mandrisika ny tanora hiroso amin’ny firaisana ara-nofo ny fandrindram-piterahana ka tokony ho ny mpivady ihany no tena resahana azy.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco