Ny faharanitan-tsaina dia fahaizana mandray sy mampihatra zavatra iray ary koa fahaizana mamaha olana sy miatrika sakana. Misy karazany maro izy io, ka ny enina amin'ireo no heverina afaka ampiasaina eo amin'ny sehatry ny asa fandraharahana sy ny asa birao. Betsaka ny voka-tsoa azo avy amin'ny fampiasana azy ireo toy ny fahombiazana amin'ny maha-olona, fahombiazana arak'asa, ara-piaraha-monina, ara-toekarena, eo amin'ny tontolon'ny asa... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Tena misy fiantraikany amin'ny manodidina azy ny fifandraisan'ny mpivady, na akaiky izany na lavitra. Mbola antontan'isa vokatry ny fandinihana ny fiaraha-monina ihany no nahitana fa ny mpivady iray manana fifandraisana tsara eo amin-dry zareo dia mahatarika mpivady 12 hafa hanana fifandraisana tsara ihany koa. Betsaka ny soatoavina avy amin'ny fampianaran'ny Eglizy, ary azo entina miaina tsara. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...