Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona.  Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Fahatomombanana ara-pahasalamana mandritry ny Kongresy Eokaristika Nasionaly : fotoana iray lehibe hihaonan'ny olona maro ny kongresy, ilaina ny fiomanana mialoha ary antoka lehibe amin'ny fahatanterahan'ny hetsika ny fahatomombanan'ny fahasalamana. Manomboka any amin'ny toerana hiaingan'ny mpandray anjara tsirairay ny fiomanana satria izay tsara fiomanana tsy tapohin-doza. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Fahasalamana eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Rafitra fototra eo amin'ny fiaraha-monina ny fianakaviana, izay mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny olona. Io no faribolana ara-tsosialy voalohany izay hivoarantsika, ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fivoarantsika manokana, ny fifandraisantsika eo amin'ny samy olona ary ny fahasambarantsika amin'ny ankapobeny. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...