Ny “temps de la création 2024" (Manantena sy mandray andraikitra miaraka amin’ny voahary rehetra) dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Laudato Si’. Isan’ny manamarika izany isika eto Madagasikara ary efa eo am-pametrahana ny Mouvement Laudato Si’. Amin’izao dia efa manana mpanentana Laudato Si’ eo amin’ny 60isa i Madagasikara izay miparitaka amin’ny diosezy maromaro. Hampivondrona ireo rehetra misehatra eo amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, indrindra ny eo anivon’ny Fiangonana Katolika no tanjona voalohany mba hahazoana vokatra mivainga sy miantraika amin’ny rehetra.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Anisan’ny singa iray mandrafitra sy mampiavaka ny fanambadiana ny fahasamihafana, ary ny fiainan-tokatrano dia tsy afa-miala amin’izany. Koa mba ahafahana mikolokolo ny fiainam- panambadiana sy hisian’ny fiainam-pitiavana mirindra dia maro ireo singa tsara ho fantatra ao anatin’io fahasamihafàna io. Samy manana andraikitra manandrify azy ao anatin’izany na ny lahy na ny vavy, eny fa na dia ny fianakaviana aza... Fandaharana "miaina sy mitia" mba ahafahana mikoloko ny fifandraisana eo anivon’ny tokatrano, eto amin'ny radio Don Bosco.

Tompon'andraikitra ny tsirairay mba tsy hanao kolikoly amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Samy tompon'andraikitra amin'ny izay mety ho kolikoly ny mpanome sy ny mpandray. Ny kolikoly dia fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindry azo lena ny fiaraha-monina ; fanomezana tombontsoa olona manokana... Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fanadihadiana azahoana mamoaka antotanisa "STATISTIQUE" dia efa nampiasaina nanatsarana ny fiainan'ny mponina. Mba hampitombina tsara ny fanadihadiana dia valin-teny marina no angatahina amin'ireo tokan-trano na olona hadihadiana, omena antoka izy ireo fa tsiambaratelo ny loharano nahazoana ny valin-teny. Asan'ny INSTAT mahaleontena ny fanadihadiana. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...