♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

♦ Nomarihana tamin'ny alahady 9 janoary 2022, ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Masera Saint Joseph d'Aosta, any Vohilava, Mananjary... ♦ Mitaky toe-panahy vonona ny hisokatra, mahay mihaino sy mifanakalo hevitra, ny fandraisana anjara amin'ny Sinaody... ♦ Niarahaba sy nirary soa ny Papa François ny diplaomaty miisa 183 ho Masoivoho vahiny any amin'ny Fiketrahana Masina...

♦ Nanatanteraka ny fitsidihana Pastoraly voalohany ho an’ny taona 2022 tao amin’ny Diosezin’Ambanja i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevakan’Antsiranana, Admnistrateur apostolique ao Ambanja... ♦ Tsy mamela antsika ho irery fa miombona amintsika mpanota te hibebaka i Jesoa, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava, nandritra ny fanamasinana ho diakra ireo frera karma telo, nandritra ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo omaly... ♦ Ny vavaka no mampiaina ny fiainantsika, hoy ny Papa François, tamin’ny fampianarany nialoha ny vavaka Angélus omaly, alahady nankalazana ny Batemin’ny Tompo...

♦ Natomboka ny 5 janoary teo ny dinik'asa fanomanana ny JMJ andiany faha-10, izay hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Manentana ny mpino rehetra maneran-tany ny Papa François, amin'ity volana janoary ity, hivavaka ho fanoherana ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana... ♦ Nirary soa mba hisian'ny fiadanana ka hamirapirataran'i Kristy eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana ao amin'ny Eglizy Tatsinanana, mankalaza ny Noely andorany, ny Papa François...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...