31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)
Ahoana no fomba tokony hiainan’ny Kristiana ankehitriny ao amin’ny Eglizy ny fifanampiana? Ho an’ireo akohonam-piainana kristiana teo aloha dia nisy fiombonana ary nitambarana aiza ny fananana rehetra mba hahafahana miahy ny mahantra. Ny tanjona dia ny hoe hifanampy mba tsy hisian'ny ho sahirana. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
30 mey 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Ny firalahian’ny olombelona dia miseho amin’ny fifankatiavana. "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia". Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco