2 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)

 Ireo toe-tsaina enti-manao soa, tokony fanditsika satria manimba fiara-miaina sy ny fiombonantsika : fadio toe-tsaina te hifehy ny hafa, fadio fanaovana didiko fehy lehibe. Mitaky fanolorantena ny asa fanaovantsoa  fa tsy voafetra  ny ara-bola ihany izany. Ny fananganana ny fiainam-piralahiana dia azo ambara fa fanekena atao eo anatrehan’Andriamanitra. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

1 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Ny fifampizaràna dia endrikin’ny fiaraha-miaina sy firaisakina. Araka fampianaran’ny Eglizy katolika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy ao amin’ny laharana 328: ny harena na dia ara-drariny aza ny fanana azy, dia mitana mandrakariva ny hoe natao hoan’ny olona rehetra izy. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...