Ny fahefana dia fanompoana : fanompoana an'Andriamanitra sy ny namana. Ny fahefana amin'ny Eglizy dia fanasoavana ny vahoaka. Ny pôlitika dia mitaky finiavana sy hitsim-po ary fahamarinana, tsy maintsy mikendry ny soa iombonana. Manoloana ireo adidy sy andraikitra dia ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alahady 26 marsa 2023 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)

Ny fanarararaontam-pahefana dia tsy eken'ny Eglizy. Tsy mifanaraka amin'ny fijerin'ny Eglizy ihany koa ny tsy mikatsaka ny soa iombonana na ireo diso tanjona amin'ny fanangonan-karena sy ny fanarararaotana ny fahafantaran'olona. Ho an'ny Egilzy dia zava-dehibe ny  soa iombonana voazara araka ny tokony ho izy, mitovy sy tsara tantana izany  no antoky ny fampandrosoana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Sabotsy 25 marsa 2023 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...