Zoma 10 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)
Tsy afa-miala amin'ny soa iombonana ny pôlitikan'ny Eglizy. Ao amin'ny Eglizy ny olona ary natao hifandray amin'ny hafa, sady tsy manavakavaka. Tsy afa-miala sy tsy maintsy mifandray amin'ny fitondrana ny Eglizy, izy no fanilo sy fahazavana eo anivon'izao tontolo izao. Tsy fironan-kevitra ny Eglizy fa finoana nolovana tao ireo fifandimbiasan'ny Apôstôly, izay misy rafitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)
Raha amin'ny Eglizy dia ny finoana an'i Jesoa Kristy maty sy nitsanga-ko velona no fototry ny politika izany hoe tsy miala amin'ny fikatsahana ny soa iombonana : isan'ireny ny asa sôsialy toy ny fanabeazana, famolavolana ho olom-banona, miaro ny aina. Ny tokony hibaiko ny mpanao pôlitika dia ny fahefan'Andriamanitra izay mampiasa fahefana ara-drariny sy ny hitsiny, araka ny feon'ny fiheritreretana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco