Tsara ny manamarika fa ny fahamasinana misy fetra dia tsy azo lazaina ho fahamasinana velively fa fahamasinana mandalo no mety ilazana azy. Ny tena fahamasinana dia izay hiainana maharitra ka hahitana hafaliana na dia hisedrana ny mafy indrindra aza. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P.Wagner Randriamampiandry.

Alahady 21 aogositra 2022 — Alahady faha iraika amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.

Ny "fitiavam-bavaka", ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana" ary ny "fahamendrehana ara-pitondrantena" dia isan'ireo andry mahasahana zavatra maro sy lalana hizorana ho amin'ny antso. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...