Sabotsy 26 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14
Ny zava-nisy dia nifarana ny ady tao amin'i "Golfe de Persique". Namaha ny olana teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa no votoatin'ity ansiklika ity. Isan'ny olana goavana ny fampiasana renivola sy ny asa, izay nampisongadina ny elanelana teo amin'ny mahantra sy ny mpanana. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Faha-zato taonan'ny "rerum novarum", nirodana ny rafi-pitondrana Sovietika (1989). Nahasongadina ny fivelarana amin'ny lafiny mahaolona ary noresahina ny maha samy hafa ny fandrosoana sy ny fivoarana. Ny fivoarana marina dia tsy afaka ny hianona amin'ny harena fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco