Sabotsy 14 mey 2022 — Masindahy Matthias, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 15, 9-17
Natao ho an'ny daholobe ny harena : natokan'Andriamanitra hampiasain'ny daholobe sy ny vahoaka rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ka noho izany ny harena voajanahary dia tokony ho tsinjaraina tsy misy fiangarana. Andriamanitra no fototra voalohany niavian'ny harena rehetra : nanome tany ny olombelona mba hifehezan'ny olombelona ny tany amin'ny alalan'ny asany ary hiotazany ny vokatra eo aminy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 13 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6
Ny andraikitra amin'ny fikatsahana ny soa iombonana dia tsy an'ny isam-batano'olona fotsiny fa an'ny fanjakana koa, satria ny soa iombonana no antom-pisian'ny fahefana ara-politika. Ohatra amin'ny soa iombonana : firaisan-kina, fandriampahalemana, tontolo iainana. Andriamanitra sy ny lanitra no soa iombonana fanaperana tokony katsahina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco