Alakamisy 12 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20
Ny atao hoe "soa iombonana" dia ny fitambaran'ireo tontolom-piaraha-monina hahafahan'ny vondrona na ny tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorariany amin'ny fomba feno kokoa sy mora. Ny soa iombonana dia sady an'ny besinimaro no an'ny isam-batan'olona. Ohatra : toe-karena, politika, kolontsaina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 11 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50
Ny mampiavaka ny olona roa mitovy hasina dia ny hoe " lahy sy vavy". Hoy ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina : famenon'ny lehilahy ny vehivavy, ary famenon'ny vehivavy ny lehilahy", izany hoe mifameno na ara-nofo na ara-tsaina fa eo koa ny mahaolona azy mihitsy. Ireo olona manana fahasembana dia olombelona feno manan-jo sy andraikitra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco