Zoma 1 aprily 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 1-2. 10. 25-30
Ny fiadanana dia tsy maintsy aorina ao amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fitiavana sy ny fahamarinana. Tsy maintsy toherina ny "ady" satria tsy vahaolana fa maika aza miteraka olana hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 31 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47
Ny Papa François dia nosalorana ny anarana hoe mpamafy fiadanana. Miandrandra fiadanana ny vahoaka malagasy. Toetra maneho ny maha andriamanitra an'Andriamanitra ny fiadanana. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco